Rova Madagasikara

Rova Madagasikara "Sahia Mijoro,Sahia Miteny" πŸ‡²πŸ‡¬ Rova Madagasikara dia mizara vaovao marina isan'andro ho anao.

30/08/2026
VAOVAO FARANY – RAHARAHA STΓ‰PHANIE SY HAINGOTIANANandray fepetra henjana ny mpitandro filaminana androany, taorian’ny fi...
29/08/2026

VAOVAO FARANY – RAHARAHA STΓ‰PHANIE SY HAINGOTIANA

Nandray fepetra henjana ny mpitandro filaminana androany, taorian’ny fivoaran’ny fanadihadiana momba ny famonoana an’i StΓ©phanie sy Haingotiana.
Araka ny fanazavana navoakan’ny polisy, ireo olona 4 voarohirohy tamin’ilay raharaha dia maty voatifitry ny mpitandro filaminana nandritra ny famerenana ny zava-nitranga teny Ambohimanga Rova.

Voalaza fa nanohitra ireo mpitandro filaminana ireo voarohirohy, ary nisy iray tamin’izy ireo naka ny basy teny amin’ny mpitandro filaminana. Niezaka nandositra koa izy ireo, ka voalazan’ny polisy fa voatery nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy ny mpitandro filaminana.
Araka ny loharanom-baovao, ireo 4 lahy ireo dia efa voasambotra teo aloha ary voarohirohy tamin’ny famonoana sy herisetra natao tamin’i StΓ©phanie sy Haingotiana.

Ireo antsipiriany momba ny zava-nitranga nandritra ny tifitra dia mifototra amin’ny fanazavana navoakan’ny polisy, ary mbola andrasana ny fanazavana ofisialy feno momba ity tranga ity.

Sary indrana
©️ Ravo J

Fanambarana sy fisaorana  avy amin'ny fianakavian'i Haingotiana.βœ… Ny valin'ny "autopsie" natao tamin'ny vatana mangatsia...
27/08/2026

Fanambarana sy fisaorana avy amin'ny fianakavian'i Haingotiana.

βœ… Ny valin'ny "autopsie" natao tamin'ny vatana mangatsiakan'i Haingotiana no nahitana fa tratran'ny fanolanana ara- nofo izy. Arak'izany aminay dia nandΓ  sy niady hatramin'ny farany tsy hanao firaisana izy, ary dia naolana tamin'ny herisetra niafara hatramin'ny fahafatesany.

❗Manoloana ireo fanehoan-kevitra sasany izay miampy esoeso sy latsa ary fanaratsiana aza mikasika an'i Haingotiana dia tsy manana havaly izahay ankoatra ny miharitra sy mangina tompoko.

Nasehon'ny mpanao fanadihadiana anay ny porofo mivaingana mikasika ilay fiara nitondra azy roa vavy tamin'ny zoma. Teo no nahitana azy ireo farany.

Fisaorana lehibe tokoa no atolotray ny mpitondra fanjakana izay nampanantena fa hanafaingana ny fitadiavana ireo olon-dratsy. Efa misy vokany tokoa izany satria nambara taminay mivantana ny fisamborana ireo olona ahiahiana ho nahavita ny heloka.

Etoana dia misaotra anareo nampahery sy naneho fiaraha-miory tety amin'ny tambazotra izahay. Misaotra ireo nizara ilay "Ombay mitady" koa.

Misaotra betsaka anareo tsiankanavaka izay tonga nidodododo nitsapa alahelo sy nanao adidy ara-pomba malagasy teny Manjakaray. Tsapanay tokoa ny fitiavanareo tompoko.

Mankasitraka eram-po eran-tsaina anareo tonga nanotrona hatreny Ambohidrabiby. Mahatsiaro tokoa izahay fa tsy irery nisy anareo.

Tsara levenana tokoa ny maty tompoko koa dia misaotra indrindra.


26/08/2026

Fandevenana an'i Stephanie,
mbola mitohy hatrany ny fikarohana sy fitadiavana ny marina momba ity raharaha ity hoy ny fianakaviana,

©️ Ravo J

26/08/2026

Fandevenana an'i Stephanie

Vaovao farany, hita ny vatana mangatsiaka an'izy roa vavy kely izay nanaovana OMBAY MITADY😒😒😒Miara ory @ fianakaviana πŸ–€M...
23/08/2026

Vaovao farany, hita ny vatana mangatsiaka an'izy roa vavy kely izay nanaovana OMBAY MITADY
😒😒😒
Miara ory @ fianakaviana πŸ–€

Misaotra anareo izay nanampy nanohana ny antso.

©️ Ravo J

πŸ•ŠοΈβš«οΈ π…π’π¬πšπ¨π§πšπ§πš 𝐦𝐚𝐧𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 N𝐨𝐬𝐲 𝐑𝐨 𝐟𝐒𝐚𝐫𝐚𝐑𝐚𝐦𝐒𝐨𝐫y πšπ¦π’π§β€™π’π«πžπ¨ 𝐨π₯𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐦𝐨𝐲 𝐑𝐚𝐯𝐚𝐧𝐚,zanakao,namana,𝐒𝐧𝐝𝐫𝐒𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐳𝐚𝐯𝐚-𝐦𝐒𝐬𝐲 mih...
22/07/2026

πŸ•ŠοΈβš«οΈ π…π’π¬πšπ¨π§πšπ§πš 𝐦𝐚𝐧𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 N𝐨𝐬𝐲 𝐑𝐨 𝐟𝐒𝐚𝐫𝐚𝐑𝐚𝐦𝐒𝐨𝐫y πšπ¦π’π§β€™π’π«πžπ¨ 𝐨π₯𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐦𝐨𝐲 𝐑𝐚𝐯𝐚𝐧𝐚,zanakao,namana,𝐒𝐧𝐝𝐫𝐒𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐳𝐚𝐯𝐚-𝐦𝐒𝐬𝐲 mihantra πšπ¦π’π§β€™π§π² 𝐟𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 π’π³πšπ¨πŸ•ŠοΈπŸ•ŠοΈ

β›”οΈπŒπ’π€πšπ§π­π¨na 𝐧𝐲 𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐞𝐑𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐒𝐬𝐲 𝐑𝐞𝐭𝐬𝐒𝐀𝐚 𝐬𝐲 𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐒𝐯𝐚𝐫𝐨𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐚π₯𝐒𝐀𝐚𝐨π₯𝐚. 𝐍𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐭𝐬𝐲 𝐑𝐒𝐚𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐞𝐟𝐚 𝐑𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐒𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐀𝐚𝐫𝐚𝐦𝐚 ny Zoma 24 Jolay 2026 izaoπŸ•ŠοΈπŸ•ŠοΈπŸ•ŠοΈ

πŸ“Έ PrΓ©sidence de la Refondation de la RΓ©publique de Madagascar - PRRM
✍️ NyARL Rova Madagasikara

Misaona ny tontolon'ny asa fanaovangazety.Nodimandry i Alphe LΓ©on ,iray amin'n'ireo andrarezin'ny asa fanaovan-gazety ,t...
21/07/2026

Misaona ny tontolon'ny asa fanaovangazety.
Nodimandry i Alphe LΓ©on ,iray amin'n'ireo andrarezin'ny asa fanaovan-gazety ,taona maro nilomanosana tao anatin'ny asa angazety ny tenany ,tonian-dahatsoratry ny RECORD tv sy fm izy izao nodimandry izao .

Izahay eto amin'ny gazety Rova Madagasikara dia mirary fihonona feno hoan'ny fianakaviana.
✍️Fenosoa Razafindrabe

Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.Nodimandry i   Mpanao gazety efa an-taonany maro tao amin’ny fahitalavitra Re...
21/07/2026

Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.
Nodimandry i Mpanao gazety efa an-taonany maro tao amin’ny fahitalavitra Record. Mpanolotra vaovao ihany koa izy.
Anisany nampiavaka azy ny fampianarana sy fanoroana ireo zandry taty aoriana amin’ny sehatrin’ny asa fanaovan-gazety.

Izahay ato amin’ny Rova Madagasikara mirary fiononana feno ny fianakaviany,ny mpiara-mpiasa aminy,ny fianakaviam-ben’ny Record Madagascar.
πŸ“ΈRecord Madagascar
✍️NyARL

Fankalazana ny faha 160 taona ny  fisian'ny gazety malagasy
17/07/2026

Fankalazana ny faha 160 taona ny fisian'ny gazety malagasy

Address

ANKADINDRAMAMY
Antananarivo
101

Telephone

+261341858484

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Rova Madagasikara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Rova Madagasikara:

Shortcuts

Share